Boky Faharoan'ny Mpanjaka

Toko faha-17

5 Notetezin'ny mpanjakan'i Asiria avokoa ny tany, dia niakatra hamely an'i Samaria izy, ka nanao fahirano azy telo taona. 6 Nony tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Osea dia azon'ny mpanjakan'i Asiria Samaria, ka nentiny ho babo tany Asiria Israely namponeniny tany Hala, teo amoron'i Habora, ony any Gosana, ary teny amin'ny tanànan'ny Meda. 7 Izany no tonga, dia noho ny zanak'Israely nanota tamin'ny Tompo Andriamaniny, izay nitondra azy niakatra avy tany amin'ny tany Ejipta, avy teo ambanin'ny fahefan'i Faraona, mpanjakan'i Ejipta, sy noho izy ireo natahotra andriamani-kafa.

8 Narahin'izy ireo ny fombam-pivavahan'ireo firenena izay noroahin'ny Tompo teo anoloan'ny zanak'Israely, sy ny fomba noforonin'ny mpanjakan'Israely. 13 Nitsangan-ko vavolombelona anefa Iaveh tamin'ny alalan'ny mpaminany sy ny mpahitany niampanga an'Israely sy Jodà nanao hoe: Miverena avy amin'ny lalan-dratsinareo, ka tandremo ny didy amam-pitsipiko, amim-panarahana ny lalàna manontolo, nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko, ho any aminareo. 14 Fa tsy nihaino izany izy ireo, fa nanamafy ny hatony, toy ny razany izay tsy nino an'ny Tompo Andriamaniny. 15 Nolaviny ny lalàny amam-panekem-pihavanana nataony tamin'ireo razany mbamin'ny teni-vavolombelona niampangany azy ireo. Nandeha nanaraka zavatra tsinontsinona izy, ka niraiki-po tamin'ny zava-poana, tahaka ireo firenena manodidina azy, izay noraran'ny Tompo tsy halainy tahaka. 18 Dia tezitra indrindra tamin'Israely, ka nesoriny tsy ho eo imasony izy. Ny fokon'i Jodà irery no sisa,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0467